Tsy mety milamina ny tontolon’ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Miverina mikatso ny fampianarana. Milaza fa iharan’ny antsojay ny Seces.
“Vara-datsaka ho an’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, mikambana ao amin’ny Seces sampana Antananarivo, ny fanapahana ny karaman’ireo mpitari-tolona”, araka ny fanazavana nomen’izy ireo. Toraka izany ny fiantsoana ny filohany, Ravelonarivo Sammy Grégoire, hohadihadiana eny amin’ny fiadidiana ny zandarimaria, sampana fikarohana heloka bevava, eny Fiadanana, omaly. Fanohintohinana ny fiainam-pirenena no anton’ny fihainoana azy.
Nadikan’ny Seces ho famakiana ady amin’izy ireo izany. Vokany, nanapa-kevitra izy ireo ny hampikatso indray ny fampianarana. “Maneho firaisankina ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ka hampiato tanteraka ny fampianarana amin’ny sampam-pianarana rehetra”, hoy ny fanambaran’
izy ireo.
Marihina fa ny zoma teo no namoaka fanambarana ny Seces fa hiverina hampianatra sy hamita ny taom-pianarana 2022-2023. Tampoka anefa ny fanapahana ny karaman’ireo mpitarika sendikaly, niampy ilay fiantsoana teny Fiadanana.
Miray hina
Manoloana ny zava-misy, nilaza ny mpampianatra mpikaroka fa tsy an’ny Seces samirery ny tolona. “Mihetsika avokoa ny avy amin’ny sokajim-pampianarana rehetra. Miombom-peo manameloka ny antsojay ataon’ny mpitondra izahay”, araka ny fanambaran’ny Seces hatrany.
Hihaona amin’ny mpianatra ny Seces anio. Fivoriana atao eny amin’ny fakiolten’ny siansa. Hitondrana fanazavana izy ireo mba tsy hisian’ny vaovao diso sy fanilihana ny tsiny any amin’ireo mpampianatra hatrany, araka ny fampitam-baovao.
Etsy ankilany, mahatsiaro tena ho lasibatra amin’ny fiandrasana ny famitana ny taom-pianarana ny mpianatra. Efa tokony hiditra amin’ny taom-pianarana 2023-2024 kanefa hatramin’izao very taona iray.
Tatiana A