Miandry ny tatitra ofisialy mahakasika ny fifampitifirana teny Andohanimandroseza ny mpanara-baovao. Tsy mbola misy ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Milaza ny tomponandraikitra fa anatin’ny famotorana tanteraka, mandrak’alina.
Etsy ankilan’izay, ny mpikirakira ny tambajotran-tserasera no namoaka fa fiaram-panjakana ilay rotiky ny bala. Ora vitsy taorian’izay, namoaka fanambarana ny teo anivon’ny Ivontoerana mikirakira ny antontan’isa na ny Instat. Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tale jeneraliny, Ndremitsara Tarzan. Nanamafy izy fa an’ ity ivontoerana ity tokoa ny fiara. Notsipihiny anefa fa tsy tompon’andraikitra tamin’izay niseho izy ireo. Tale tao taloha no nitondra izany tsy ara-dalàna. «Fiara efa tokony ho naveriny io», hoy izy. Marihina fa anisan’ny iray maty voatifitra teny an-toerana ilay tale.
Efa fantatry ny fianakavian’ny maty avokoa ireo olona voalaza fa jiolahy voatifitra teny Andohanimandroseza, afakomaly atoandro. Ny zandary izay nanamafy ny maha olon-dratsy azy ireo, ary manana ny horonantsary porofo nalain’ny fakan-tsary miafina (Camera de surveillance) maro eto an-drenivohitra.
Andrasana, araka izany, ny marina mahakasika ity raharaha mahaliana ny Malagasy maro ity.
J.C