Tsy mipetrapetraka. Manohy ny fivoizana sy fampahafantarana ny ba gasy ny tarika Zandry Gasy. Hivoaka tsy ho ela ny rakikira faharoa, arahin’ny tetikasa maro.
“Ba gasy mazia romotra”. Fomba fitenin-dry zalahy Zandry Gasy io, izay hanasokajiany ihany koa ny karazana mozika hataony. Noraisina mihitsy ho lohatenin’ny rakikira faharoa, izay hivoaka tsy ho ela izany. “Efa tontosa ny fandraisam-peo rehetra ka eo am-panomanana ny fivoahan’ny vokatra izahay izao. Misy hira 9 ao anatiny, ka ny 8 tamin’ireo dia hira noforonin’ny tarika. Hira sôva naverinay kosa ny iray”, hoy ny fanazavan’i Mbola Talenta, mpamoron-kira, mpitendry gitara, mpihira ary mpitarika ny Zandry Gasy.
Iray ao anatin’ny tetikasan’ny tarika Zandry Gasy ity rakikira faharoa ity. Misy antony matoa saika hira noforonina avokoa ny voarakitra ao, fa tsy toa ny rakikira voalohany “Vakoka sy Soatoavina”. Hanehoan’ny tarika izany fa mamerina sy mamelona, kanefa koa mitondra ny anjarany amin’ny fampiroboroboana ny mozika malagasy amin’ny ankapobeny, sy ny ba gasy manokana ny Zandry Gasy. Havoaka amin’ny endriny kapila sy anaty “usb” ary amin’ireo “plateformes” fivarotana hira isan-tsokajiny ny vokatra.
Mazava loatra fa arahina seho fampahafantarana maromaro ny fivoahan’ny rakikira. Hanomboka izany sady ho fanandraman-tsira ny eny amin’ny Karibotel Analakely, ny 1 desambra ho avy izao, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hanome sombiny amin’ireo hira vaovao, kanefa koa hamerina ireo handrasan’ny mpankafy hatrany ry Mbola Talenta amin’io.
Tsiahivina fa nohatevenina ny tarika mba hanatrarana izay tanjona izay. Nanatevin-daharana ny ekipa i Liks eo amin’ny feo sy kabosy, Antsaly eo amin’ny feo ary Fanilo Poppins eo amin’ny gitara sy feo. Miantoka ilay “Ba gasy mazia romotra” eo amin’ny tendry gitara hatrany i Hoby sy i Mbola. Mitrotro amin’ny karazan’amponga sy ny zavamaneno ravaka kosa i Litsa Kely, raha toa ka miantoka ilay feo mampiavaka indrindra ny tarika i Fitahiana.
Zo ny Aina