Mahabe adihevitra amin’izao ny hoe hanana ny maha ara-dalàna azy ny fitondrana mijoro eo, fa tsy hanana ny ara-drariny tamin’iny fifidianana iny. Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry: “Na inona na inona mbola resahina, resy lahatra amin’ilay mpitondra ny olona. Izay no itenenanay hoe ho marin-toerana ihany ny fanjakana hijoro eo.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy mahabe adihevitra amin’izao?
Rakotoarijaona Jerry (-): Tany am-piandohana: ny voka-pifidianana taty an-tanàn-dehibe nanaovan’ireo kandidà fihetsiketsehana no azo voalohany. Tamin’izany no somary ambany kokoa ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Nefa tsy Antananarivo irery i Madagasikara. Rehefa tonga ny voka-pifidianana manerana ny Nosy, niakatra izay taham-pivitrihana izay: tsy mifanalavitra firy tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa, taona 2018, izay 48%. Amin’izao, 42 % any ho any ny taham-pavitrihana. 36 ny kandidà tamin’ny 2018. Teo, 13 ny kandidà ary telo ihany no tena nanam-pahavononana hiatrika fifidianana. Noho izany, ireo nanaraka an’ireo kandidà telo ireo no nazoto nifidy. Dia toy ny hoe latsaka ny taham-pahavitrihana, nefa niakatra ihany rehefa jerena.
* Ahoana ny amin’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana eo hoe tsy hanana ny ara-drariny tamin’iny fifidianana iny?
– Raha ny fahamarinan-toerana no jerena, ny kandidà laharana fah-3, Rajoelina Andry, amin’izao no mitarika. Na inona na inona toe-draharaha mandritra ny dimy taona: mitombo ny olona nandatsa-bato ho azy, raha ampitahaina ny tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa, taona 2018. Na ny teto Antananarivo fotsiny aza, mihoatra izay… Azo itarafana izany fa na inona na inona mbola resahina, resy lahatra amin’ilay mpitondra ny olona. Izay no itenenanay hoe ho marin-toerana ihany ny fanjakana hijoro eo.
* Ary ahoana ny hoe fitakiana fifampidinihana aorian’ny fifidianana?
– Fifampidinihana momba ny inona moa no hatao? Raha momba ny fifidianana: efa mazava fa iny ny tena demokrasia sy safidim-bahoaka. Mety ny fifampidinihana raha mandeha any amin’ny fampandrosoana. Efa nilaozan’ny toetrandro kosa raha fizarana seza. Ny fanjakana dia rombahina, na amin’ny alalan’ny demokrasia na fanonganam-panjakana izay fanao aty Afrika. Nisafidy ny lalan’ny demokrasia isika, ary efa mazava ny safidim-bahoaka. Tsy hita intsony izay hifampidinihana ny amin’izay.
Nangonin’i R. Nd.