Miverina ary tena mahavoa olona maro ny Covid-19, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Manginy fotsiny, mikiky olona maro ny gripa mahery vaika. Tsy mitsitsy fa izay voa aloha dia mandamaka am-pandriana. Tsy maha lehilahy lehibe, tsy maha tompon’ny hery fa mandripadripaka ny aretina. Soa fa tsy mahafaty ! Azo sy mora tsaboina tsara izany raha vao hita ny soritraretina.
Zava-dehibe ny fanatonana mpitsabo vao misy tsy metimety. Zava-doza, mety ho vidian-dafo ny fanaovana dokotera tena any an-trano. Io anefa matetika ny olana ho an’ny Malagasy tsy an-kanavaka. Vitavitan’ny « paracetamol » sy ny pilina « tapany manga ». Tsy mifidy aretina fa mailaka ny mitady fanafody eny an-tsenakely. Eny rahateo no zakan’ny fahefa-mividin’ny sarababem-bahoaka. 200 Ar dia efa mahazo pilina iray. Tsy misy miraharaha izay ho fiantraikan’izany. Tsy mahagaga satria ny an-dRamalagasy, aleo maty rahampitso toy izay maty androany.
Loza mitatao telo sosona no mihatra amin’ny vahoaka madinika eto Madagasikara. Andaniny, ny valanaretina efa mihanaka. Ankilany ny fanjifana sy fihinanana fanafody tsy manara-penitra mahazo laka. Mifanindran-dalàna amin’ireo, ny fivarotam-panafody eny anelakela-trano. Misy aza ny mibaribary sy iarahan’ny rehetra mahalala saingy tazanim-potsiny. Miraviravy tanana ny fanjakana amin’ny fanenjehana ireny.
Matanjaka sy manam-pahefana tsy hay hazavaina ny mpanao trafikam-panafody. Manjaka ny tsy maty manota noho ny antony maro samihafa. Sady mamelona no mamono, arakaraka ny olona ny varotra fanafody amoron-dalana. Maro ny avotra, tsy vitsy koa anefa no hidiran-doza. Tsy misy maty tsy amin’ny androny tokoa angaha? Na izany aza, mila mailo sy maka ny fitandremana mifanaraka amin’izay ny isan-tokantrano sy ny isam-batan’olona.
r.r