TARATRY ny KANTO

« Trio Inédit ». Ny 19 novambra teo, nanatanteraka seho i Felaniary sy i Lilie. Hitohy ny sabotsy 25 novambra izao izany ao anatin’ny « Trio inédit sur Bordeaux ». Fampiaraham-peon’i Elsie sy Felaniary ary Lilie, hotanterahina ao amin’ny 26 Chemin du pas de la côte 33140 Villenave-d’Orion any Bordeaux. Anisan’ny hitana ampaham-potoana lehibe mandritra ity seho ity, ireo hira noforonin’i Felaniary ka nahafantaran’ny mpitia kanto azy.

Antsan-tononkalo sy hatsikana, tao amin’ny efitrano Dox. Tontosa omaly, tetsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, ilay seho marolafy “Fiainana klonina”, nolalaovin-dry Diantana, Lay Klonina, Marina Fanahy, Sisa sy Radavy niaraka tamin’ny Kanto Tafaray. Tanora vao misondrotra amin’ny kanto voiziny izy ireo, izay miezaka manandratra koa ny literatiora malagasy. Fampiarahana ny teatra, antsan-tononkalo, dihy mirindra ary hatsikana mantsy ity seho ity.

Kanton’i Gasikara. Tanterahina eny amin’ny Zaridainan’Antaninarenina, ny 29 sy 30 novambra ary ny 1 sy 2 desambra 2023, ny hetsika kanton’i Gasikara, andiany faha-15. Mbola ho hita mandritra ny hetsika ny nahafantarana azy hatramin’izay. Anisan’ izany ny fanasongadinana ireo haikanto sy vokatra vita Malagasy.

Partager sur: