VAOVAO TAMBATRA

Miara-miasa amina sampandraharahan’ny minisitera 10 ny Guichet unique eny anivon’ny EDBM. Misy ihany koa ny tolotra amin’ny ho fanampiana an’ireo mpandraharaha amin’ny fampiroboroboana ny orinasany. Tanjo­na ny hanamora ny fampiasam-bola. Hanampy amin’ny famantarana ny orinasa rehetra misy ity Guichet unique ity.
Eto Madagasikara mandritra ny dimy andro ireo matihanina amin’ny fizahantany miisa 40, miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy 20 isa. Hitsidika ireo toerana manan-tantara eto an-drenivohitra izy ireo mba ahafahany mampahafantatra izany any ivelany mialoha ny hanohizany ny diany ao amin’ny faritra Itasy.
Efa mandeha ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahadimy RN-5, (Soanierana Ivongo-Mananara). Anisan’izany ny ampahany voalohany, mampitohy an’i Vahibe sy Mananara Avaratra. Mamatsy vola azy ny Tahirim-bola saodiana ho an’ny fampandrosoana (FSD). Izy koa no mamatsy vola ny fanamboarana ny tetezan’i Mangoky any amin’ny RN-9.
Eo am-pandinihana ny fanarenana ny seranan-tsambon’i Manakara sy Mananjary. Mila hapetraka ny fitandroana ny aro loza any Manakara sady hatsaraina ny fiantsonan’ny sambo. Mila harenina koa ny tokontany ma­lalaka manamorona ny fiantsonan’ny sambo any Mananjary sy ny fanalana ny fotaka amin’ny lakandranon’i Pangalana.

Partager sur: