Indostria malagasy : tafarina ny orinasa Sirama

Mbola mijoro ny orinasa Siramamy malagasy (Sirama) na nijanona tsy namokatra nanomboka ny taona 2004 aza, ka niteraka fatiantoka hatrany amin’ny 58 miliara ariary.

Nisedra olana goavana ny orinasa Sirama nandritra ny taona maro. Tafakatra amina miliara maro ny fatiantoka teo anivon’ity indostria malagasy ity. Nihe­na, nanaraka izay, koa ny famokarana nataony. Ny tao­na 2004 no namokatra siramamy farany ny ozinina tao Nosy Be. Nilatsaka ho 384,85 t ny vokatra tamin’io taona farany niasany io kanefa afaka mamokatra hatrany amin’ny 14 000 t. Nihena ho 612t kosa ny vokatra azo tao Brickaville, ny taona 2007 niasany farany, raha toa ka afaka namokatra 13 000 t. Matian­toka tanteraka ny orinasa, niiba hatrany amin’ny 58 miliara Ar ny renivola nampiasainy ny taona 2018. Ankehitriny, tafarina ny orinasa, niakatra ho 230 miliara ny renivolan’ny Sirama. Nahazo tombombarotra maherin’ny 6 miliara Ar ihany koa ity indostria malagasy ity. “Velona ny orinasa, mahavita mandoa ara-dalàna ny hetram-panjakana sy ny karaman’ny mpiasa izy. Namboarina ary vita ihany koa ireo site ao Toamasina, Nosy Be, ary ny foibeny eto an-drenivohitra”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Sirama, ny jeneraly Ramananarivo Mamy Emile, omaly, tetsy Isoraka, foiben’ny orinasa.

Vina

Tanjona ny hamerina indray ny famoronana asa ho an’ny olona na amin’ny fambolena na amin’ny fitantanana ny orinasa sy ny fidiram-bolany. Ankehitriny, mampidi-bolabe ho an’ny orinasa Sirama ny fanaovany fampanofana ny fananany ao Namakia sy Ambilobe. Nasiana trano fisakafoana ihany koa ao amin’ny foiben’ny orinasa eto Antananarivo hampidi-bola ho azy, hoy hatrany ny fanazavana voaray. “Mila jerena ireo asa samihafa ivelan’ny orinasa hampidiram-bola ary indrindra ho fiarovana sy ho fanomezan-danja ny fananana sy ny tanin’ny orinasa”, hoy hatrany ny tale jeneraly.

Henintsoa Hani

Partager sur: