Ianjadin’ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano izay miseho amin’ny endriny maro samihafa. Toy ny tsy fahampian’ny fidiram-bola eo amin’ny ray aman-dreny, ny olana eo amin’ny mpivady, ny fahafatesan’ny ray na reny, ny fisian’ny fahasembanana ara-batana na ara-tsaina eo amin’ny ray aman-dreny… Antony mahatonga fahasahiranan’ny tokantrano iray izany. Ka mandrisika ny ray aman-dreny sasany handefa ny zanany eny anivon’ny ivontoeram-pitaizana na akany.
Amin’ny ankapobeny, efa miaina eny anivon’ireny toerana ireny ny ankizy, manomboka eo amin’ny faha-10 volan’ny zaza iray, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Ho an’ny SOS Village etsy Vontovorona manokana, tsy miala eny an-toerana intsony ny ankizy iray raha tsy efa mahaleo tena. Taizaina sy beazina, arovana amin’ny herisetra maro samihafa ary omena ny zo feno rehetra izy ireny mandritra izany. Miezaka manome fanabeazana feno sy haha olom-banona ireo ankizy ny ivontoerana. Mameno ny banga izay tsy nisy teo amin’ny fianakaviana ihany koa. Tanjona ny hahazoan’ireo ankizy fahaleovantena sy fiainana tsara kokoa eo amin’ny fiainana.
Ho an’ireto tovolahy kely roa : i Fenitra, 16 taona sy Elysé 12 taona. Efa naharitra 10 taona no nandefasan’ny rainy azy ireo teny amin’ny ivontoeranam-pitaizana. “Kamboty reny ka sahirana tamin’ny fitaizana azy ireo ny rainy, noho ny tsy fahampian’ny enti-manana teo anivon’ny tokantrano”, hoy izy ireo raha nanontaniana. Dimy mianadahy izy ireo no mpiray tampo ary zandriny indrindra izy ireo tao an-trano. Mamboly sy miompy ny asa aman-draharaha namelomany ny rainy azy. Nilaza izy ireo fa tsy araka ny famelomana sy ny fampianarana azy ireo ka antony nandefasana azy ireo tany amin’ny akany. Manohy ny fianarana ary mbola mianatra izy ireo eny amin’ny akany. Manam-paniriana ny ho tonga injeniera eo amin’ny sehatry ny fambolena ary hanangana orinasa mahakasika izany izy roa lahy ireo any aoriana any.
Mandray an-tanana ireo ankizy marefo
Anisan’ny ivontoerana iray mandray an-tanana ny ankizy marefo ara-pivelomana ny SOS Village, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Mitaiza ireo ankizy 142 avy amin’ny fianakaviana marefo manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy izy ireo. Iaraha-miasa amin’ireo « mère SOS » ny fanabeazana sy fitaizana azy ireo. Mikarakara ny ankizy andro aman’alina amin’ny lafiny rehetra ny mpanabe. Toy ny sakafo, fianarana, fahasalamana… Mandray an-tanana ny ankizy mandra-paha afaka BEPC amin’ny ankapobeny. “Miampita rafitra kosa izany avy eo mandra-pahahitan’izy ireo asa soa aman-tsara sy ahitan’izy ireo asa aorian’ny fianarana eny amin’ny oniversite”, hoy ny Me Raharinarivonirina Maria, filohan’ny filankevi-pitantanana eo anivon’ny SOS Village d’enfants.
Efa maro ny ankizy tafita sy manana asa
Efa manana ny asany manokana sy mahaleo tena avokoa ny ankamaroan’ireo ankizy notaizana teny amin’ireny ivontoerana ireny. Misy ny mirona amin’ny fanaovana asa fambolena, fanamboarana fiara…
Manapaka ny fidiran’ ny ankizy ny mpitsara
“Midika ho manome solon-dreny ho an’ireo ankizy tsy manana reny ny dikan’ny hoe SOS”, hoy hatrany ny Me Raharinarivonirina Maria, filohan’ny filankevi-pitantanana eo anivon’ny SOS Village d’enfants. Nilaza izy fa manome solom-pianakaviana izay tsy nananana ihany koa.
Nohamafisiny fa apetraky ny fitsarana eny anivon’ny ivontoerana izy ireny fa tsy alaina fotsiny. Miaina ao anatin’ny fianakaviana manome fitiavana azy sy mampivelatra sy mahavanona ny ankizy.
Misy, araka izany, ny fepetra iarahana amin’ny mpitsara mpiahy ny ankizy hanaraha-maso ny fahatanterahana ny fanajana ny fiarovana ny zon’ny ankizy.
Misy fepetra takina amin’ireo ankizy raisina eny anivon’ny ivontoerana. Amin’ny ankapobeny, ankizy miaina anaty fianakaviana marefo ary tsy misy mpiahy. Anisan’izany, ny kamboty reny na ray na ray sy reny mihitsy, misy ihany koa ny mirenireny. Eo koa ireo ankizy nosafidiana manokana raha misy tranga mampiavaka sy mahazo azy. “Raisina eny anivon’ny ivontoerana mandritra ny 3 na 5 volana eo ireny tranga manokana ireny”, hoy hatrany izy. Ankizy iray tampo no tena raisina an-tanana eny anivon’ny ivontoerana.
Sarotra ny asa eo anivon’ny ivontoerana rehefa somary efa lehibe ny taonan’ ny ankizy raisina eny an-toerana. “Sarotra ny mamolaka ny fitaizana ireny ankizy ireny noho ny fahasamihafan’ny fiarahamonina nisy azy teo aloha sy eny anivon’ny ivontoerana”, hoy ny solon-dreny iray.
Nanatontosa : Mino