Tanterahina eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny sabotsy 25 novambra 2023, ny tafatafa hampahafantarana sy hiresahana ny boky, « Mythe d’Ibonia, le grand Prince » nosoratan’i François Noiret, mpampianatra momba ny haiolombelona, ao anatin’ny hetsika “Café de l’histoire”. Ankoatra ny angano momban’Ibonia, maro ny asa soratra hita ao anatin’ity boky ity.
Hahazo sehatra eny amin’ny Musée de la photographie Anjohy, ny “Mythe d’Ibonia, le grand Prince”. Raha tsiahivina, ny taona 1830 no nanoratana ity angano ity voalohany, izay nataona Malagasy anisan’ny nahita fianarana voalohany. Ny taona 1877 kosa izy no natonta. Taty aoriana kosa vao nangonin’i François Noiret, amin’ny maha mpampianatra momba ny haiolombelona azy. Ny fomba fanao nentin’ny olona niatrika ny fiainany tamin’izany no tena resahina ao anatin’ity asa soratra ity. Anisan’izany ireo soatoavina maro samihafa. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny boky. Zava-dehibe ny fampitana ny hafatra sy ny tantara amin’ny taranaka aty aoriana mba ho fakantahaka ho azy ireo.
Lin