Ampiroboroboina any Manakara, faritra Fitovinany, ny fiompiana trondro an-dobo. Manohana ny mpiompy mivantana ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Fitovinany. Naterina tany Manakara, ny 20 novambra teo, ny trondro fakana taranaka sy zanatrondro ary sakafo.
Miisa 59 ny trondro lehibe tilapia, fakana taranaka (vavy 32, lahy 27) no natolotra ho an’ireo mpiompy any amin’ny faritra Fitovinany. Mahatratra 23 000 kosa ny zanatrondro tilapia ary 28 kitapo ny sakafon-trondro.
Nozaraina ho an’ireo mpiompy trondro nanatrika sy nanaraka fiofanana ny 11 600 amin’ireo zanatrondro. Mpiompy miisa dimy no nahazo zanatrondro 300 avy teo no ho eo. Napetraka ao amin’ny Fari-piompiana trondro manokana (ZEP) any Manakara ny ambiny miisa 11 600.
Nanolotra ireo trondro sy zanatrondro ary sakafon-trondro ireo tany an-toerana ny Fitantanam-paritry ny famokarana anatirano sy ny DRPEB Fitovinany. Nanotrona koa ny lehiben’ny prefektiora, ny sekretera jeneralin’ny governora, ny solontenan’ny kaominina ary ny solontenan’ny mpiompy trondro.
Njaka A.