Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy, 38 taona, mpangalatra mangahazo, ny talata lasa teo. Ifampitadiavan’ny polisy ny mpivady, lasibatry ny halatra saingy nahafaty olona.
Matin’ny daroky ny tompon’ny mangahazo nangalariny ny lehilahy 38 taona, ny talata 21 novambra teo. Tao Ambatolampy, kaominina ambanivohitra Amberomanga, distrikan’Itasy no nisehoan’izany. Tratra ambodiomby izy ka nanamparan’ireto mpivady ny hatezerany ka novelesiny kibay. Vokany, namoy ny ainy fotoana vitsy taorian’ny daroka. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana, izay mandray an-tanana ny raharaha dia nampangain’ny tompon-tany ho naka ny voliny ity niharan’ny fitsaram-bahoaka ity. “ Ireo olona nanatri-maso nanaovana ny fanadihadiana dia nanamafy fa tsy nisy alaharo na fangatahana fanazavana avy amin’izy mivady fa tonga dia nodarodarohina tamin’ny kibay ilay raim-pianakaviana. Naratra mafy izy ka nitarika ny fahafatesany”, araka ny voalazan’ny loharanom-baovan’ny gazety. Raha vao tapitra ny ain’ilay nampangaina ho mpangala-mangahazo dia nitsoaka izy mivady.
Nitory
Nanoloana ny fahafatesan’ilay lehilahy, nametraka fitoriana teny anivon’ny polisim-pirenena ny fianakaviany. Tsy manaiky ny nanaovana fitsaram-bahoaka ny havany. Nidina teny ifotony nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nisy ny fizahana ny razan’ilay voalaza fa mpangalatra. Noho ny tsy naha teo an-toerana azy mivady intsony dia nalefa ny filazam-pikarohana azy ireo. “Tsy maintsy hatao famotorana izy ireo, rehefa hita”, hoy hatrany ny polisy. Marihina fa saika niteraka fisavorovoroana ity trangam-piarahamonina ity.
Tsiferana R.