Hanatanteraka fiofanana B ny Malagasy mpanazatra Barea de Madagascar, Rakotondrabe Romuald Félix. Fanamby goavana ny miandry an’i coach Rôrô ny hanaovan’ny Barea de Madagascar Mondial 2026, amin’ity fifanintsanana ity,
Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, misy lalao ara-pirahalahiana roa hatao amin’ny volana marsa ho avy izao. Tsiahivina fa entina hanomanana ny lalao izay hifanandrinantsika amin’i Comores ny volana jona ho avy izao izany. Marihina fa voalohany ao amin’ny vondrona “I” i Comores amin’ny fifanintsanana Mondial 2026.
Tsy afaka miatrika ilay lalao hifanandrinan’ny Paris Saint Germain (PSG) sy ny Newcastle FC, Anglisy, i Marquinos, Brezilianina mpilalao baolina kitra, vodilaharan’ny PSG. Tsiahivina fa hanomboka amin’ny herinandro ho avy izao ny lalao hifanandrinan’ny PSG sy ny Newcastle.
Miandrandra ny haka ny amboaran’ny lalao olympika 2024, izay hatao any Paris, ilay serba mpilalao tenisy, Novak Djokovic. Tsiahivina fa izy izao no laharana voalohany maneran-tany amin’ ity taranja ity. “Mister Grand Chelem” no solon’ anarana nomena azy, noho ireo amboara
marobe efa azony.