Zazakely iray naratra mafy nianjeran’ny sobika feno manga teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Kamiaobe iray feno manga no nivarotra teny an-toerana. Nifandrombaka ireo mpividy ka nianjera tamina zazakely zanaka mpivarotra teo akaikin’ilay fiara ny sobikabe nisy manga. Na teo aza ny ratra nahazo azy, avotra soa aman-tsara ihany ny ainy.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dalamby tao Ambatovola Andekaleka, omaly. Lamasinina an’ny orinasa Jirama no nifandona tamin’ny lamasinina iray hafa. Niainga tao Andekaleka saika hihazo an’i Moramanga ity fiara an-dalamby an’ny Jirama ity no nifandona tamina lamasinina iray hafa tao Ambatovola. Olona telo naratra saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Efa nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo naratra.
Voasambotry ny polisy ao Mahajanga, afakomaly ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana miharo vaky trano ao Mahabibo. Niainga avy amin’ny fahatrarana ny jiolahy iray no nahafahana nisambotra ireo namany. Tratra tany amin’izy ireo ny entana halatra rehetra toy ny fahitalavitra, ordinatera, firavaka, vatamafihidy miaraka amin’ny vola vahiny. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana rongony mahery vaika koa tany amin’izy ireo.
Trano 186 tafo indray kila hotohoton’ny afo tao Nosy Varika ny alarobia tolakandro teo. May tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra tao an-trano. Ny akanjo teny an-koditra sisa ny an’ireo niharam-boina. Afo tsy maty tao amina tokantrano iray no voalaza fa niantombohan’ny afo ka nihitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Olona iray naratra raha iray hafa kosa torana tao anaty fifanjevona. Anisan’ireo may tamin’izany ny fiangonana iray.
Fahasahiana tsots’izao ny an’ireo jiolahy nandavaka rindrina tao amina tokantrano iray teny Fiadanana Imerintsiatosika, afakomaly. Lasan’ireo mpangalatra ny kisoa iray niaraka tamin’ny omby. Tsy nisy naheno ny nandoahan’ireo jiolahy ny rindrina ny tao an-trano. Tsy nihika hatramin’ny kisoa aza. Novonoin’ireo jiolahy tao an-trano ihany ilay kisoa. Ny taovany sy ny tsinainy sisa no navelan-dry zalahy tao.