Navesatra ny didy navoakan’ny mpitsara eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava tao anatin’ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, ny 21 novambra 2023 teo. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny i Younous Michou, raim-pianakaviana 41 taona.
Niakatra teo anivon’ity sampam-pitsarana ity ny antontan-taratasin’ ady laharana faha 88-Toa/23-2845-RP/22 momba ny raharaha vaky trano narahina halatra sy fanolanana tamina renim-pianakaviana iray tao Mangarano ny alin’ny 29 aogositra 2021. Voapanga tamin’ izany ity lehilahy ity. Mpirahavavy amin’ity vadin’ny nahavanon-doza ity ilay renim-pianakaviana niharan’ny fanolanana raha ny fandaharana nandritra ny fotoam-pitsarana. Tonga tao an-tranon’ity renim-pianakaviana ilay nahavanon-doza tamin’io fotoana io ary niresaka elabe tamin’ilay zaodahiny. Resaka tsy fananana asa no noresahin’izy ireo tamin’ izany. Lasa namonjy ny toeram-piasany kosa ilay vadin-dramatoa niharam-boina. Niezaka nanontany azy tamin’ny alalan’ny hafatra tamin’ny finday i Michou nanontany raha niasa alina tokoa ilay zaodahiny tamin’io alina io. Tamin’ny 2 ora maraina, niditra tao an-tranony i Michou nanao saron-tava sady nivimbina antsy teny an-tanany. Nitondra namana roa lahy izy ka nandrahona ilay niharam-boina hamoaka vola. Tsy nanaiky lembenana anefa izy fa nanohitra ka voasintona ny saron-tavany. Tsy nilefitra ireo olon-dratsy ka namatotra ny tanany aman-tongony. Nanamparan-dry zalahy ny filan-dratsiny tao ity renim-pianakaviana ity. Tsy vitan’izay fa lasan’izy ireo koa ny vola 1 500 000Ar. Nanamafy rahateo izy nandritra ny fotoam-pitsarana fa noho ilay saron-tava voasintony no nahafantarany ity zaodahiny nanolana azy ity.
Sajo