Hodinihina mandritra ny fivoriana amin’ny herinandro, iarahana amin’ireo tomponandrikitry ny Banky iraisam-pirenena, ny momba ny Madagascar Airlines. Marihina fa hamatsy vola ny kaompania ity vondrona iraisam-pirenena ity. Hanome vola azy ny fanjakana malagasy raha haverin’ny banky amin’ny alalan’ny famatsiam-bola izany avy eo.
Tonga androany ao Mahajanga ilay sambo lehibe mpitondra mpizahatany, « Le Champlain ». Efa nandalo tao an-toerana ny volana febroary lasa teo izy ity. Andrasana ny 28 novambra izao ny iray hafa, araka ny tatitry ny ofisim-paritry ny fizahantany ao an-toerana. Hisesy ihany koa ny fahatongavan’ireo sambo lehibe hatramin’ny faran’ny taona.
Naniry avokoa ny 75% amin’ny zanakazo tamin’ny fotoam-pambolena 2022-23 teo. Manodidina ny 1 000 000 ny zanakazo nambolena eny amin’ny tanin-janakazo midadasika eny Nanisana Analamanga. Ahitana hazo haingam-paniry, voankazo ary hazo voly fanondrana any ivelany. Miisa 23 ny toerana toy ity manerana ny Nosy.
Harenina ny lalana RN-3A any Tanambe, faritra Alaotra Mangoro. Voakasik’izany ny ampahan-dalana eo anelanelan’ny PK 79+300 sy PK 81+600, mirefy 2,300 km. Anisan’ny toerana tena mamokatra vary ny kaominina Tanambe, ka hamaha olana maro amin’ny famoaham-bokatra sy ny fivezivezen’ny olona ny fahavitan’ity ampahan-dalana ity.