Tafakatra dimy mianadahy ireo voasambotry ny zandary voasaringotra amin’ny asan-jiolahy tetsy Andohanimandroseza, omaly.
Mpitandro filaminana am-perinasa ny iray amin’ireo olona dimy voasambotra momba ny raharaha tetsy Andohanimandroseza, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovana Analamanga, ny
Kly Tojo Raolijon, tetsy Ankadilalana, omaly. Anisan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ny raharaha maloto nataon’ireo dimy lahy namany izay efa lavo ny talata teo io miaramila io. Ankoatra azy, vehivavy roa sy lehilahy roa hafa voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandarimaria. “Voasambotra teny akaikin’ny trano fonenany ihany ny sasany tamin’izy ireo”, hoy ny zandary.
Efa mpanao fanafihana miharo fisandohana andraikitra inefatra nifanesy ireto jiolahy ireto. ”Narahi-maso nanomboka tamin’ny fanafihana nataony teny Anosiala io fiara nentin’ireo jiolahy io, ny 31 oktobra teo”, hoy ny zandary. Nanohy nanao ny asa ratsiny tamin’ny toerana telo samihafa indray ireo jiolahy ny 2, 14 ary 19 novambra. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka nanara-dia. Vokany, voatifitra ny dimy lahy tamin’ireo jiolahy. Tafakatra dimy mianadahy kosa ny voasambotra. Ankoatra ny basy dimy, tratra teny amin’ireo olon-dratsy lavo ireo ny fitombokasem-panjakana sandoka sy volamena an’ny olona izay efa lasibatr’izy ireo.
Tsiferana R.