Nomelohin’ny fitsarana ady heloka bevava ao Toamasina dimy taona an-tranomaizina sy dimy taona tsy mahazo mandia faritra ireo roa lahy voampanga ho mpanao fanafihana sy halatra moto ao Toamasina, nandritra ny fotoam-pitsarana afakomaly. Sesilany ny fanafihana mitam-piadiana sy ny halatra moto tao Toamasina ny fiandohan’ny taona 2023. Jiolahy roa voasambotra, araka ny voalazan’ny antontan-taratasin’ady laharana faha-126-Toa/23-1126-RP/23 sy ny laharana faha-127-Toa/23-1136-RP/23. Ny loham-piampangana roa ho an’ireto antontan-taratasin’ady ireto, ny fananganana fikambanan-jiolahy sy firaisana tsikombakomba, halatra sy fampiasana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana. Ny 16 febroary 2023 tolakandro, nandroba mpianatra nandeha moto tao Andranomadio Toamasina ireto jiolahy ireto. Voambana basy ireo ankizivavy roa nandeha tamin’io moto io. Lasan’ izy ireo ny moto. Ny faharoa, ny 28 marsa 2023 nandroba renim-pianakaviana iray nitondra moto handeha hanatitra ny zanany hianatra ao Salazamay Toamasina no voambana basy tampoka ihany koa. Nalain-dry zalahy ny finday sy poketra tany amin’izy mianaka. Nisy nahatsikaritra anefa izy ireo ka raikitra ny fanarahan-dia. Tratra tao Analankinina Hopitalibe niaraka tamin’ny basy poleta iray sy bala roa tsy nipoaka izy roa lahy. Nambaran’izy ireo nandritra ny fifandaharana teo anoloan’ny fitsarana, bevohoka ny vadiny, nefa ry zalahy tsy an’asa ka nanita-kevitra handroba moto.
Sajo