Fandalovan’ny sambo INS Sharda : nahazo fitsaboana maimaimpoana ny mponina ao Antsiranana

Toy ny fanaon’ireo sambo mpiady Indianina manefa iraka aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, niantsona ao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ny sambo mpiady INS Sharda, ny 17 hatramin’ny 20 novambra 2023 lasa teo.

Misy hatrany ny fifandraisana amin’ireo tomponandraikitra amin’ny fandalovan’izy ireo toy izao satria mandritra ny fiantsonan’ireo mpitsabo ao anatin’izany sambo izany no manao asa fitsaboana ny mponina any an-toerana. Ny 19 novambra 2023 teo, nanao fitiliana sy fizahana fahasalamana maimaimpoana niaraka tamin’ireo miaramila mpitsabo avy ao amin’ny Hopitaly miaramila (Homi) Antsiranana, notarihin’ny Kly Rakotoni­ndrina Harisolofo Wilfried, tomponandraikitra voalohany ao amin’ity toeram-pitsaboana ity, ireo Indianina mpitsabo ireo. Maherin’ny 700 ireo olona nisoratra anarana rehefa natao ny fanentanana ka 145 amin’ireo no natao fitiliana. Ankoatra izay, nizara fanafody maimaimpoana ireto mpitsabo avy amin’ny INS Sharda ireto. Nanamafy ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny Homi ity fa manana fivelarana goavana ny sehatry ny fifandraisana ara-tafika eo amin’i Ma­da­ga­sikara sy Inde. Mana­mafy orina izany izao hetsika ataon’ireo Indianina miaramila tantsambo ireo.

Jean Claude

Partager sur: