«Hazavao ny elakelatrano»: fametrahana jiro manazava manerana ny distrika 119

Tsy mitsaha-miitatra ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Mila manaraka an’izay fironana izay koa ny fotodrafitrasa, ka anisan’izany ny jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano.

Anisan’ny ataon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny Jirama laharam-pahamehana ny fametrahana jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano. Hanatanterahina izany ny tetikasa «Hazavao ny elakelatrano», hametrahana jiro any amin’ny tanàn-dehibe ao anatin’ny distrika miisa 119 eto Madagasikara. Voakasik’ izany koa ny fametrahana jiro manerana ny lalam-pirenena amin’ ny tanàn-dehibe sy ny kaominina.
Efa maro ny toerana no­va­tsiana, natolotra ny manam-pahefana eny ifotony, ary manampy amin’ny fametrahana ny jiro ny teknisian’ny Jira­ma isan-toerana.
Isaky ny 50 metatra ny elanelan’ny toerana asiana ny jiro manazava. Tanjona ny hametrahana jiro mahatratra 500 km isan-taona amin’ny andrin-jiro miisa 10 000. Manodidina ny 1 000 000 ny jiro efa tafapetraka amin’izao fotoana izao.

«Fampidiran-jiro mora»
Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ity tetikasa «Hazavao ny elakelatrano» ity. Hanampy betsaka amin’ny fisorohana ny tsy fandriampahalemana, manatsara ny endriky ny tanàna sy ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony.

Natomboka tamin’ny volana febroary 2023 teo ity tetikasa ity. Tsiahivina, fa misy koa ny fampidiran-jiro isan-tokatrano, indrindra ireo sahirana ao anatin’ny tetikasa «fampidiran-jiro mora». Mirary ny sarany satria 30 000 Ar monja, ahazoana jiro sy ny kojakoja miaraka aminy. Mitentina 4 500 Ar kosa ny saran-jiro aloa isam-bolana. Nanomboka tamin’ny taona 2021 ity tetikasa ity, ka manodidina ny 300 000 ny tokantrano kendrena hisitraka azy manerana ny Nosy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: