Mirongatra maneran-tany, indrindra amin’ny tany andalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara ny aretina homamiadana. Toy ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ary ny “ovaire”.
Mahatratra 15 tapitrisa ny olona voan’ny homamiadana maneran-tany. Hita amin’ny tany andalam-pandrosoana toa an’i Afrika avokoa ny 70% amin’ireo. Ankoatra izay, 12,5% amin’ ny olona maty vokatry ny aretina maneran-tany tamin’ny 2005 dia homamiadana avokoa. Ho an’i Madagasikara manokana, nitarika ny fahafatesan’ny 8% amin’ny olona izany tamin’ny 2014. Manodidina ny 19 484 ny olona ahitana trangan’io aretina io teto an-toerana, tamin’ny 2015, raha ny fanadihadiana nataon’ny Globocan. Homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza avokoa ny 50 % amin’ny homamiadana nandalo teny an-toerana, raha ny tatitra navoakan’ny teo anivon’ny sampan-draharaha Oncologie CHUA-JRA. Lasibatry ny aretina ny vehivavy eo anelanelan’ny 40 hatramin’ny 59 taona.
“Anisan’ny fanetriben’ny tany sy areti-mandoza atrehin’ny vehivavy maro maneran-tany, amin’izao fotoana izao, ny aretina homamiadana. Tanora dia tanora dia efa voan’io aretina io ny olona, raha ny zava-misy ankehitriny”, hoy ny Dr Raherimanantsoa Anna, mpitsabo sy miasa any amin’ny Nosy La Réunion, mandalo eto an-tanindrazna. Nilaza izy fa tsy maintsy atao ny fisorohana sy ny fitsaboana io aretina io, indrindra eto Madagasikara. Fisian’ny “cellule” ratsy, izay miorim-paka ao anatin’ny taovan’olombelona ny atao hoe homamiadana. Mamono ny taova sasany sy mihanaka manerana ny vatana ary mahatonga ny aretina homamiadana izy io rehefa tafapetraka ao.
Misy manaranaka
ny homamiadana
Misy ny karazana homamiadiana manaranaka. Izay faharefoana eo amin’ny sela nolovainy tamin’ny ray aman-dreny teo aloha. Ohatra amin’ izany, ny homamiadan’ny nono. Ankoatra izay, maro ny homamiadana vokatry ny zavatra hafa avy ety ivelany. Toy ny homamiadan’ny taovam-pisefoana, ny tenda ary ny avokavoka. Izay mitarika ny fahafatesan’ny olona 16 000 isan-taona eo. Azo avy amin’ny fifohana sigara sy fisotroana alikaola ary rivotra maloto izy io. Eo koa ny vokatry ny famonoana bibikely sy ny masoandro be loatra. Izay mitarika homamiadan’ny hoditra. Antony hafa koa ny homamiadana azo avy amin’ny aretina tsy voakarakara, toy ny vavony mandaoka na maratra ka tsy voatsabo. Misy ihany koa ny azo avy amin’ny tsy fitandreman’ny olona sy ny loto avy amin’ny manodidina. Toy ny fampiasana fitoavana plastika hitahirizana na handrahoana sakafo, mafana. Anisan’izany ny homamiadan’ny tsinay. Eo koa ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, vokatry ny otrikaretina HPV ny mitarika azy, hoy ny mpitsabo, ary mety hifindra amin’ny firaisana tsy voaaro. Eo koa ny fidiran’ny mikraoba nandritra ny fotoana iterahana.
Azo sitranina
Olana goavana amin’ny fitsaboana ny aretina homamiadana ny toe-tsaina sy ny tahotra eo amin’ny mponina. Fahazaran’ny olona ny manao dokotera tena sy ny tahotra manatona tobim-pahasalamana na hanao fitiliana. Mihevitra ny olona fa efa fahafatesana sahady ny fisian’ny homamiadana eo amin’ny vatany ka antony tsy hanaovan’ny ankamaroan’ny olona fitiliana mialoha ny aretina, raha ny fanadihadiana natao.
Ny fanaovana fitiliana ihany no fisorohana amin’ny aretina. Misy ny fikambanana maro samihafa mikarakara fitiliana maimaimpoana ho an’ny homamiadana. Anisan’izany, ny Soroptimist international.
Afaka miaraka ny fitsaboana medikaly sy natoraly
Ivon’ny fitsaboana ny marary. Manana zo hahafantatra ny aretiny, haka ny taratasy momba izany, ny anton’ny fitsaboana atao aminy, izy ireny. “Afaka miara-miasa amin’ny fitsaboana ny homamiadana ny fitsaboana medikaly sy ny natoraly. Fa natokana ho an’ny olona mahafehy azy”, hoy hatrany ny Dr Raherimanantsoa Anna. Misy ary manana an’izany i Madagasikara izay mifototra amin’ny fikarohana siantifika sy misy fatra ary fahafantarana ny toe-batan’ny olona. Misy ny karazana fitsaboana mahay mampiaraka ireo fitsaboana roa ireo. Anisan’ny tena matanjaka be amin’izany, ny aziatika sy ny indianina Nilaza izy fa lalam-pikarohana ho an’i Madagasikara ny mampiaraka ireo fitsaboana roa ireo ka tokony himasoana.
Zava-dehibe ny fanentanana ny olona hitsapa ny tenany ary hanatona mpitsabo raha vao misy zavatra hafa amin’ny vatany. Misy fivontosana hafahafa amin’ny nonon’ny vehivavy. Misy ronono mandeha nefa efa tsy mampinono intsony. Misy atodintarimo, misy ra any amin’ny tay. Miha mahia lava sady marary lava ny kibo.
Nanatontosa : Mino