Hikatona manomboka ny 1 desambra misasakalina hatramin’ny 29 febroary 2024, misasakalina manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny fanjonoana makamba. Mila manao fanambarana ananany ny datin’ny 30 novambra izao, farafahatarany ny 8 desambra eny amin’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga akaiky azy indrindra ireo orinasa mpanjono, ny mpanangom-bokatra, ny toeram-pivarotana hazandrano sy mpiantoka.
Ankoatra izay, atao ny 20 ka hatramin’ny 25 novambra izao ny Mombasa-Kenya, atrikasa hifampizarana sy hampiofanana mahakasika ny fanajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina. Mandray anjara amin’izany i Afrika Atsimo, i Mozambika, i Tanzania, i Kenya, i Seychelles, ny Nosy Maorisy, kaomoro ary i Madagasikara. Tanjona ny hampahafantatra ny mpiantsehatra rehetra ny paikady iombonana aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny drafi-panajariana ny ranomasina. Ao anatin’izay ny handrindrana ny drafi-panajariana nasionalin’ireo firenena mpikambana rehetra sy hifampizarana traikefa momba izany. Mamatsy vola ny tetikasa ny «Nairobi Convention Secretariat» sy ny «United Nations Environment Program”.
Henintsoa H.