Seho « Cirque »: hampiala voly ny mponin’Antananarivo ny Aléa Circus

Seho anisan’ny mahavariana sy mahasarika olona maro ny « Cirque », raha any ivelany. Mbola vitsy no miangaly azy, indrindra ny matihanina, raha ny eto Madagasikara. Maro anefa ny manantalenta sy mahafehy izany.

Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fanombohan’ny hetsika iarahana amin’ny Aléa Circus, fikambanana misehatra amin’ ny fanaovana “Cirque”. Araka izany, fampisehoana “Cirque” maimaimpoana no atolotr’ity fikambanana ity ho an’ny mponin’Antananarivo. Miara-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny haikanto sy ny kolontsaina ary fiainanam-piarahamonina (DACVC), ny Aléa Circus, amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao. Ankoatra ny fampialana voly ny mponina, tanjona ny hamerenana ny hasina sy ny maha izy azy ny « Cirque ».
Hahazo tombony manokana ireo toerana lalovan’ny he­tsika. Ho an’ny anio, hanom­boka eny amin’ny Tranom­boky monisipaly Analakely ny fampisehoana. Hitohy eny amin’ny Zaridainan’Anosy, ny alarobia 29 novambra 2023, eny amin’ny Kianja maitson’ Analama­hitsy, ny ampitson’io, ary eny amin’ny Kianja mitafo Besarety, ny zoma 1 desambra. Tsy azon’ny ankizy latsaky ny 14 taona atrehina ny fampisehoana, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Noho ny mety tsy ho fahazakan’izy ireo ny seho mandritra izany. Tsy ho ambaka ny hetsika sa­hala amin’itony, mandeha any ampitan-dranomasina any, anefa izy ity. Ho hita mandritra izany, ny seho mampitaintaina, ny hakingana, ary ny fahaiza-manao miavaky ny mpiangaly izany.
Somary tsy dia mipetraka amin’ny maha izy azy ny “Cir­que”, raha ny eto Mada­gasi­kara manokana. Mbola ilana fanabeazana ara-javakanto ny Malagasy mba hahafahany mahazo tsara ny hevitra tiana havoitra ao anatin’ny seho. Misy aza no manasokajy ity ka­razana haikanto ity ho herin’ny maizina, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra hatrany.

Lin

Partager sur: