Andrasana hiakatra 4,5% ny tahan’ny harinkarena faobe amin’ny taona ho avy izao, araka ny voalaza ao amin’ny volavolan-dalàna laharana faha-023/2023, momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2024. Voatonona ao anatin’izany ny fitomboan’ny ny harinkarena faobe ho an’ ireo sokajy seha-pihariana rehetra. Andrasana hiakatra 4,4% ny sokajy voalohany, misy ny famokarana (fambolena, fiompiana, jono, harena an-kibon’ny tany). Vinavinaina hiakatra 5,1% ny sokajy faharoa, ahitana ny fanodinana, ny indostria ary ny lamba. Tanjona ihany koa ny hampakatra ho 4,5% ny sokajy fahatelo momba ny varotra. Tokony hiakatra 7,2% ny harinkarena faobe azo avy amin’ny fitrandrahana ny harena sy azo avy amin’ireo orinasa mpitrandraka. Vinavinaina ho 4,9% ny taham-piakarana azo avy amin’ ireo orinasa afakaba raha toa ka 4,0% ho an’ny asa vaventy.
Sehatra iray anisan’ny mampiroborobo ny toekarena malagasy ny fizahantany. Manomboka manaraka ny onjam-pivoarana tamin’ny taona 2019 isika izao ka ilaina ny fampiroboroboana azy. Noho izany, andrasana hiakatra 10,1% ny tahan’ny harinkarena faobe ho an’ny fizahantany. 5,9% ho an’ny sehatry ny fitaterana raha toa ka hiakatra 10,7% ho an’ny sehatry ny fifandraisana.
Hitondra vokatra ihany koa ireo zava-bita ny taona 2023, indrindra momba ny lalànan’ ny famatsiam-bola, ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny fampivoarana sy fanatsarana ny rafitry ny fitsarana ary ny sehatry ny fifandraisana.
Henintsoa Hani