TSELATRA

Tovolahy iray nikasa hamono tena teny amin’ny reniranon’Ikopa, omaly maraina. Nitsoraka tao anaty rano izy, saingy voavonjin’ireo mpaka fasika sy mpanasa lamba ka tsy tanteraka indray ny fikasany. Olana teo aminy sy ny vadiny no voalaza fa nahatonga izao fikasan-dratsiny izao.

Nahatrarana fonosana rongony mitotaly 390 tao amin’ny tokantranon’ny ramatoa iray tao Ambohi­mandroso, omaly maraina. Mpanaparitaka zava-mahadomelina ao an-toerana izy sy ny vadiny ary ny rafozany. Tsy hita popoka anefa ireto roa farany ka mbola karohina amin’izao fotoana.

Mpangalatra bisikileta sady mpanao sinto-mahery voasambotry ny zandary tao Ankadindravola, omaly maraina tamin’ny 8 ora. Nampiahiahy ny manodidina ny fihetsik’io lehilahy, nahazo fampandrenesana ny mpitandro filaminana. Nosamborina izy. Nanga­lariny teny Ivato io bisikileta teny aminy io ary mbola nikasa hanendaka teny amin’ny manodidina an’Anka­dindravola izy.

Lavon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny tao Andriankely, fokontany Andranofotsy Fandrosoana, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazo­be, ny fiatombohan’ny herinandro teo. Anisan’ny mpitarika dahalo nanao fanafihana tao amin’ny tranokambana izay nahafatesana renim-pianakaviana iray ity dahalo lavo ity.

Naiditra am-ponja vonjimaika ka miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo dimy lahy mpamaky trano voasambotry ny polisy tao Ihosy, ny talata 21 novambra teo. Olona iray no sarona voalohany izay nihazona entana halatra tao amin’ny fokontany Morafeno. Natao famotorana ary nitoroka ireo namany efatra niara-nanao ny asa ratsiny taminy ity farany ka tafakatra dimy lahy ireo voasambotra.

Partager sur: