Hivoaka anio amin’ny misandratra andro ny voka-pifidianana vonjimaika avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Efa samy sasa-miandry izany avokoa na ny mankasitraka na ny tsy mankasitraka ny fifidianana. Ny mpomba ireo kandidà telo, nandray anjara efa samy somebiseby, hijery izay taham-bato azon’ny olona notohanany. Ny mpomba azy folo mirahalahy indray. Miandry fotsiny dia hanao hetsika.
Hatreto efa azo antoka ny fandresen’ny kandidà laharana fahatelo, raha ny vokatra navoakan’ny Ceni, mandraka alina. Sarotra ny hiovan’ny antontan’isa. Miandry any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana izay te hanao fanamarihana sy fitsipahana. Efa mandray izany rahateo ny mpitsara ambony, manomboka izao. Ny kandidà laharana faha-13 efa nitatitra firaiketana an-tsoratra tao amin’ny HCC, omaly. Izy izay manantena ny mbola hanao fihodinana faharoa.
Manoloana ny toe-javamisy, ny fahalanian’ny kandidà laharana fahatelo dia mitaky adidy sy andraikitra goavana avy aminy. Anisan’ny fampanantenana iray, andrasan’ny maro ny ady amin’ny kolikoly. Lokaloka ataony amin’ny vahoaka malagasy io, raha ny fampielezan-kevitra nataony tany Ambositra. Nanome toky izy fa hanenjika hatrany amin’ny trondro vaventy. Vonona ny hamongotra ity areti-mikiky ny fiarahamonina ity izy.
Tranga nampihitsoka ny fampandrosoana an’i Madagasikara hatrizay ny kolikoly. Fositra nampidi-kizo ny fitondrana notarihin’ny kandidà Andry Rajoelina, nandritra ny fotoam-pitondrany teo aloha. Ny loton’ireo manodidina sy mpiara-miasa taminy no saika namotika ny kisariny eny anivon’ny fiarahamonina. Mila manova ifotony ny paikady hamongorana ny kolikoly rahateo izy raha te ho marin-toerana amin’ny dimy taona manaraka eo !
r.r