Hambaran’ny Ceni anio, eny Alarobia, ny voka-pifidianana vonjimaika. Mitarika amin’ny antsasa-manilan’ny vato manan-kery ny kandidà laharana fahatelo. Ho “1er tour dia vita”!
Hanambara amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena vonjimaika ny Ceni, anio maraina. Tsy hisy fiovana firy antontan’isa nivoaka omaly hariva ny ho fironana hivoaka. Mitarika amin’ny salanisa mihoatra ny 59% ny kandidà Rajoelina Andry. Nahazo ny antsasa-manila mahery amin’ny vato manan-kery. Laharana faharoa, nahazo 13% ny kandidà Randrianasoloniaiko Siteny. Fahatelo Ravalomanana Marc, amin’ny salanisa, 12%. Eo amin’ny laharana fahefatra ny kandidà, Rajaonarimampianina Hery amin’ny vato, 5%.
Samy nahazo 1% mahery avokoa ny kandidà isany: Razafinjoelina Tahina, Andrianainarivelo Hajo, Ratsiraka Roland, Razafintsiandraofa Brunelle. Maherin’ny 0% kosa ny vato azon’ny kandidà isany: Paraina Auguste, Raobelina Andry, Ratsirahonana Lalaina, Raderanirina Sendrison ary Ratsietison Jean Jacques.
Tsy nahatratra ny antsasaky ny isan’ny mpifidy no tonga nandatsa-bato. Manodidina ny 45% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ireo maherin’ny 11 tapitrisa, voasoratra anarana.
Tsy manaiky
Na anisan’ny nomen’ny mpifidy vato aza ny kandidà 10 mirahalahy tsy nandray anjara dia manamafy izy ireo fa tsy manaiky izay voka-pifidianana mivoaka anio. Mirona amin’izany koa ny kandidà, Randrianasoloniaiko Siteny. “Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna anananay porofo”, hoy izy. Nametraka fitoriana eny amin’ny HCC izy ireo omaly. Vontoatin’izany ny hanafoanana ampahany na manontolo ny vaton’ny kandidà, laharana fahatelo. Manginy fotsiny ny fangatahana ny hanafoanana tanteraka ny fifidianana sy ny fanilihana ny kandidà Rajoelina Andry.
Handray fepetra ny HCC
Etsy andaniny, mazava ny nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent. “Tsy kivy izahay na eo aza ny fanaratsiana fa mijoro amin’ny fahamarinana ka tsy ho avy aminay velively ny fanekena ny hala-bato sy ny hosoka. Tsy maintsy ho hitanay izany ary andraisana fepetra”, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy maintsy ho tratra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy aorian’ny famoahan’ny Ceni, ny fironana vonjimaika. Tombanana fa mety ho ny herinandro voalohan’ny volana desambra izany.
Notsiahiviny fa efa nahatonga ny tatitra etsy Ambohidahy ny 90% amin’ireo mpanara-maso ny fifidianana. Anisan’izany ny eo anivon’ny faritra Afrika Afovoany “Zone Cima Afrique Centrale”, anisan’ny noraisin’ny filohan’ny HCC. Nambaran’ireto delegasionina tarihin’i Nguiegang Ntchassep Cyrille ireto fa nizotra am-pilaminana ny fifidianana, nirindra koa ny fikarakarana izany. “Azo antoka sy mangarahara tanteraka izany”, hoy izy.
Tsiahivina fa ho tompon’ny teny farany amin’ny voka-pifidianana ofisialy ny eo anivon’ny HCC, hamoaka izany, afaka herinandro mahery eo ho eo.
Synèse R.