Mitohy ny fitsinjovan’ny fikambanana Zanak’Ambohidratrimo Marovatana (Zam) ny mponina. Nanolotra fampitaovana ny fianakaviana sahirana izy ireo, notarihin’ny filohany, Rabary Hery, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny fokontany Atsimomparihy. Anisan’ny nisitraka izany Rtoa Rasoa, mpanasa lamba, izay nitsotra fa ahafahany mampitombo ny fidiram-bolany, ny fanampiana toy izao. Taorian’ izany, nanao fanadiovana faobe ny mpikambana Zam sy ny mponina. Nilaza ny filoha Rabary Hery, fa «zary nataon’ny olona fanariam-pako i Atsimoparihy hatramin’izay, ka tsy maintsy diovina. Manjaka rahateo ny gripa izao, ka rehefa madio ny tanàna dia lavitra ny aretina».
Jiro, fampiofanana arakasa, …
Tetikasa manaraka hataon’ny Zam ny fanoloana ny jiro ampola rehetra maty an’ny Jirama manerana ny fokontany sivy eny Ambohidratrimo. Hatao jiro mandeha amin’ny masoandro izany, hamahàna ny olan’ny tsy fandriampahalemana sady tsy hampitebiteby ireo mpiasa mirava alina.
Mahakasika ny tsy fananan’asa, miara-miasa amin’ny Foibe fanofanana arakasa (CFP) Ambohidratrimo ny fikambanana. Hanomboka tsy ho ela ny fanofanana ny tanora, ny renim-pianakaviana, ny lehilahy, hanamora ny fitadiavany asa. Eo koa ny fanatanjahantena. Manao antso avo ny zanak’Ambohidratrimo manerana ny Nosy sy any ivelany ny fikambanana hifanolo-tanana hampandroso an’Ambohidratrimo.
Njaka A.