Ambohitrarahaba : lehilahy maty norarafan’ny jiolahy tifitra

Hamonjy fodiana, maty voatifitry ny jiolahy nitam-basy teny Ambohitraharaba, ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray.

Jiolahy efa-dahy nitondra moto roa nanafika mpamongady iray teny an-toerana ny zoma 23 novambra teo. Nitondra fiara ireo mpivarotra ka nandrasan’ireo jiolahy kendry tohina. “Efa na­naraka ireo mpivarotra na­nomboka tany Andravoahan­gy ireo jiolahy ary mety efa niandry taty Ambohitrara­haba ny roa lahy namany”, hoy ny fianakavian’ny maty. Lasan’ ireo jiolahy ny vola tamin’ny sakaosy. Nirifatra niaraka ta­min’ny moto ireo olon-dratsy. Nifanindry an-dalana tamin’ireto farany, raim-pianakaviana iray nitondra moto hody ao Ambohi­trarahaba nifanehatra tamin’ireo jiolahy. “No­songo­na­ny tamin’ny moto ireo jiolahy avy nandroba”, hoy ny fa­namafisan’ny fianakavian’ny voatifitra. Noheverin’ireo jiolahy fa mpitandro filaminana ha­nenjika azy, noho izany, ilay lehilahy io ka notifiriny. “Voan’ ny bala indroa nisesy tao an-damosiny izy”, hoy hatrany ny havan’ny maty. Tsy vitan’io, mbola nidinan’ireo tsy mataho-tody ary noverenany notifirina teo amin’ny tratrany io raim-pianakaviana io. Nentina nihazo ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ain’ity farany.

Tsiferana R.

Partager sur: