«Ihafiako Tour» : hisedra sehatra lehibe i Njara Marcel

Nandalo ny dingana rehetra… Fotoana kosa izao ho an’ny fampisehoana lehibe, raha ho an’i Njara Marcel. Voarain’ny mpankafy tsara rahateo ny vokatra.

«Ihafiako». Anisan’ireo hira be mpankafy amin’izao fotoana ity sanganasan’i Njara Marcel ity. Fotoana fohy taorian’ny nivoahany ny faramparan’ny volana oktobra teo, efa milahatra anatin’ireo fandaharana mi­safidy izay hira be mpankafy any amin’ny haino aman-jery ireny ity hira ity. Manamarika ny tohin’ny lalana ho azy izany, ka nampisalorany ny hoe «Ihafiako Tour», ny andiam-pampisehoana izay kasainy hotontosaina rehetra eo.
Hisantatra izany ny seho lehibe etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 3 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fo­toana hizaran’ity mpanakanto ity an-tsehatra ireo sanganasany rehetra io. “Efa ela ny nanomanana azy ka fotoana izao hanolorana ny kanto ho an’ny mpankafy”, hoy ity mpanakanto ity. Ho vahinin’i Njara Marcel mandritra ny fampisehoana i Ayam, Tsanta ary ny Tambour Gasy. Aorian’ny etsy amin’ny CCEsca, ny fetin’ny faran’ny taona no fotoana ma­naraka, any amin’ny Espace vacances Andrianina Ma­nam­bato.
Raha hiverenana kely, nanomboka ny taona 2016 no tena niditra teo amin’ny sehatry ny mozika i Njara Marcel. Namerina hirana mpanakanto hafa, ary efa nisongadina ta­mina fifaninan-kira izy. Mpa­nakanto maro rahateo no efa niara-niasa taminy. Na­nom­boka nanoritra ny lalany kosa ity mpanakanto ity, taorian’ny namoahany ilay hira “Ho mandrakizay”. Io ny hira noforoniny voalohany sy ni­tondra azy tsikelikely mankaty amin’ny laza. Efa niaka-tsehatra goavana ihany tao Antsa­hama­nitra, saingy mbola niaraka tamin-dry Princio, Nate Tex ary Jacquis Randria izy, ny taona 2022. Nahazo amboara nandritra ny 4 taona nisesy tamin’ny “RDJ Mozika” ihany koa, tamin’ny alalan’ireo hirany “Saino ihany”, “Ho mandrakizay”, “Veloma” ary “Aza­fady”.

Zo ny Aina

Partager sur: