Hatramin’izay, itaizan’ny sasany saina mandrakariva ny hoe fisian’ny krizy politika aloha na mandritra na
aorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tsy mbola tafavoaka ny ala amin’izao? Tsy fahendrena ny mibitaka ambony ihany. Ny mahery tsy maody tsy ela velona. Tsy ilaozan’izay tsy maty voalavo an-kibo? Na mila lamina… Na inona na inona mitranga sy atao amin’izao: misy manao ady sisika raha mbola azo avadika ho politika. Terena ho misy antony politika izany, dikany politika, vokany politika. Efa politiky ny politika? Na vonto sy donto…
Mila lamina izay tontolo politika izay, na efa mivoaka aza ny voka-pifidianana vonjimaika. Eny, na hatramin’ny voka-pifidianana ofisialy atsy ho atsy aza. Misy hatrany ny tsy kely lalana, tsy voatery ho ratsy. Politika no atao: ady fiady, arakaraka ny fifandanjan-kery… Tena safidim-bahoaka ny vokatry ny fifidianana, manana ny maro anisa hiaro azy izay fanjakana hijoro eo. Mila arovana hatramin’ny farany ny safidin’ny tena? Fiarovana sy famelana hiasa izany… Anjaran’ny fitondram-panjakana ny miaro ny vahoaka. Tsy vita mora izany, tsy vitan-dresaka.
Tsy ilaozan’izay mamadika ho politika izay mitranga sy atao amin’izao. Sao hianjerana amin’ny fanjakazakana, sanatria, na jadona? Efa misy ny manatsatso ny mety hisiana jadona, hono. Tsy araka izay iheverany azy ny raharaha? Na taman-dratsy amin’ny fiverimberenana na famerimberenana tantara amin’ny hoe krizy isaky ny mihetsika… Tamin’ny fampielezan-kevitra dia efa hita ny hoe mankaiza ny fitsokan’ny tantana sy ny tantara, mirona mankaiza ny vahoaka? Vao mainka fa mivoaka izao ny voka-pifidianana vonjimaika… Mila fandraisana andraikitra izay hisian’ny fitoniana sy filaminana. Manana anjara amin’izany ny tsirairay?
R. Nd.