Rn-2 – Toamasina : vehivavy iray matin’ny lozam-piarakodia

Azo lazaina ho nilamina amin’ny ankapobeny ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena (RN-2 sy RN-5) mihazo ny faritra Analanjirofo ary ny ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao anatin’ny herinandro nikirakirana ny fitaterana sy fanondranana vokatra letisia. Na teo aza izany, nisy ihany ny indrokely tamin’ireo mpampiasa ny RN-2 tamin’ny fitaterana letisia satria nitrangana lozam-pifamoivoizana tao an-toerana. Kamiaobe iray nitondra letisia no niharan-doza tampoka, ny alakamisy alina teo, teo amin’ny PK-25 tsy hidirana an’i Toamasina. Nidona tampoka tamin’ny arofanina vato amoron-dalana ity kamiaobe ity ka nivadika tamin’ny sisin-dalana. Olona telo no tao anatin’ity fiarabe ity; renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy ary ny mpamily. Vokany, maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana raha mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toa­masina ny zanany lahy. Avotra kosa ny mpamily satria tsy naratra. Ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahafantarana fa torimaso fotsy vokatry ny harerahana teo amin’ny mpamily no voalaza fa antony nahatonga ny loza. Resitory tampoka teo ambony familiana ny mpamily ka tsy nahafehy izany intsony, nitarika izao loza izao. Fantatra fa anisan’ireo toerana matetika ahitan-doza toy izao eo amin’ity faritra ity. Marobe ireo mpampiasa lalana sy kamiaobe mifamezivezy mihazo an’iny faritra Atsinanana iny amin’izao fiakaran’ny vokatra letisia izao. Tsy misy afa-tsy ny fahamailoana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza.

Sajo

Partager sur: