Toy ny fanaony isan-taona, notanterahina ny sabotsy 25 novambra lasa teo, teny amin’ ny kianja Imamba, ny Andron’ ny mpiara-miombona antoka amin’ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Nambaran’Andrianarisoa Avotra Tokiniana, filohan’ny ekipa, fa tanjona manaraka ny fisokafana amin’ny taranja hafa eo amin’ny fitaizana ireo ankizy sy tanora. Hanombohana izany, ny tenisy, ny handball, ny basikety ary ny baolina kitra, ho an’ny kilonga madinika “mini foot”. Anton’izany, hoy i Daniel, mpandrindra ankapobeny ny RCTS, ny tsy hijanonan’ny fitaizana na ao anatin’ny fotoanan’ny orana aza, izay matetika mpahazo ny toerana iva. Tsy nanafina ny tenany fa misy hatrany ny olana ho an’ny klioba mitaiza olona 450.
Hisy, araka izany, ny fanamboarana kianja mifanaraka amin’ireo taranja voatanisa ireo.
Notsiahivin’ny mpitantana eo amin’ny RCTS, fa tsy klioba mifaninana amin’ny fifaninanana rejionaly fotsiny ny RCTS fa ivontoerana mitaiza sy mampianatra ireo ankizy 5 hatramin’ny 17 taona, eo amin’ny baolina lavalava teo aloha. Ankizy, avy amin’ny faritra Imamba sy Soavimasoandro ary ny fokontany manodidina no beazina ao.
Zava-baovao amin’ity, ny hisokafan’ny fitaizana ho an’ireo ankizy teratany vahiny. Miantoka ny sakafo sy ny ody ambavafo ho an’ireo ankizy beazina ny alarobia sy sabotsy, ny ivontoerana RCTS. Miara-miasa amin’ny Pachamama International, tarihin’i Jeff, kapitenin’ny ekipa frantsay teo aloha, ny RCST. Nanome voninahitra ny lanonana ny masoivohon’i Frantsa miasa eto Madagasikara, izay nankahery ny RCTS amin’izao ezaka goavana tratrarin’izy ireo izao.
Torcelin