Tenisy – Mada 2023: hanomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina anio, eny amin’ny Club olympique de Tananarive (COT) Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Marihina fa hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary sy loka maro avy amin’ny mpanohana ireo tompondaka amin’izany, araka ny vaovao nampitain’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Tenisy (FMT). Raha ny fandaharana navoakan’ny FMT tao amin’ny tambajotran-tserasera, hiakatra kianja anio ireo vétérans, lahy sy vavy. Ho hita handray anjara eny avokoa ny sokajy rehetra, 1ère – 4 ème série amin’io fotoana io.

Miisa fito ny ligy mandray anjara amin’ity fifaninanana ity, ny ligin’Analamanga, mpampiatrano, Atsimo Andre­fana, Amoron’i Mania, Atsi­nanana, Boeny, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra. Ny 3 desambra ho avy izao no hifarana ity fifanintsanana ity.

Tsiahivina fa handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akomba izay voahosotra ho tompondaka amin’ny 1ère série, lahy sy vavy. Tamin’ny taom-pilalaovana 2022, nanjakan’ny ligin’Analamanga tanteraka ny fifaninanana “Mada 2022”, izay natao tany Antsirabe.

Fitia Randria

Partager sur: