Tovolahy iray naratra mafy vokatry ny daroka nataon’ny namany azy teny Volosarika Ambanidia, omaly. Resaka hasarotam-piaro no nitarika ny ady satria efa nandrasan’ireo namany teo amin’ny elakelatrano mihazo ny tanànany ka niharan’ny vono sy daroka izy. Voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana izy noho ny ratra teo amin’ny lohany.
Naratra voahitsaky ny fiarabe ny mpanera iray tao Amboasary Atsimo, afakomaly. Nifampiresaka tamin’ny mpamilin’ilay fiarabe, voalaza fa an’ny BNGRC, handeha any Ihosy izy. Niangavy azy ilay mpamily fa afaka hitondra mpandeha iray ka teo am-pitakiana ny vola karamany izy no natosik’io mpamily io. Nianjera tamin’ny arabe izy ka notetezin’ny kodiaran’ny fiara. Nandositra ilay fiarabe ka tratran’ny zandary tao Ambovombe.
Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao Andaingomboalavo atsimo atsinanan’Anivorano, kaominina ambanivohitr’i Sarobaratra Tsaratanana, omaly, ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana. Votsotra teny am-pelatanan’izy ireo koa ny takalonaina roa nalain’izy ireo an-keriny tao Matsitso. Omby an-jatony no lasan’izy ireo nandritra ny fanafihana.
Maty voahosin’ny fiara tsy fantatra ny mpandeha an-tongotra iray tao amin’ny fokontany Morarano Gara Moramanga, afakomaly hariva. Kamiao mpitondra entana ity voalaza fa namoa-doza ity saingy nitsoaka ny mpamily rehefa avy nandona. Nentina haingana any amin’ny hopitaly ilay niharam-boina, saingy tsy avotra intsony ny ainy. Mandeha ny famotoran’ny zandary.