Tsy araka ny vinavina : mbola 12 500 t ny letisia naondrana

Tsy tratra hatramin’izao ny tanjona hanondrana letisia 18 000 taonina. Ny varotra anatiny no hivarotana ny ambiny.

Hiainga eto Toamasina rahampitso talata 28 novambra 2023 ny sambo Crown Saphire ho any Rosia sy Azia, hitondra letisia milanja 2 000 taonina. Sambo fahatelo izy ity, raha efa nandeha, anio 27 novambra ny faharoa, C.S Trust, ho any Etazonia, nitondra 5 200 taonina, ary ny zoma 24 novambra ny voalohany nankany Eoropa, nitondra 5 200 taonina ihany koa. Tsiahivina fa hanenjika ny tsena mialoha ny Krismasy ny letisia alefa any Eoropa, indrindra ny any Frantsa, tokony ho efa niainga ny 23 novambra teo.

Hatramin’ny marsa 2024
Milanja 12 500 taonina izany ny letisia aondrana any ivelany, hatramin’izao, efa anaty sambo, raha 18 000 taonina ny vinavina. Nifarana ny sabotsy sy alahady maraina teo ny ankamaroan’ny asa fikarakarana ny letisia haondrana any ivelany. Saingy voalaza fa tsy mijanona tanteraka ny fanondranana ho an’ireo orinasa mpanondrana manana na afaka manofa kaontenera misy vata fampangatsiahana. Na koa ny orinasa na mpandraharaha manana mpanjifa mpanafatra letisia any ivelany, izay mbola manana fe-potoana hatramin’ny marsa 2024. Izy ireo no heverina fa hanatratra ny tanjona 18 000 taonina.
Tsy afa-po ny tantsaha 1 300 Ar ny kilao nividia­nan’ny mpanondrana tany amin’ny mpanangom-bokatra. Vidin’ireto farany any amin’ny tantsaha 10 000 Ar hatramin’ny 12 000 Ar kosa ny iray garaba na kesika. Nilaza ny tantsaha nohadihadiana fa tsy mahafa-po azy ireo izany vidiny izany, saingy sitrany ahay vaza-mihetsika. Nilaza Raza­nakolona Edmond, mpitondra letisia any Antananarivo fa tsara kokoa ny vidiny ho an’ny tsena anatiny. Lafo anefa ny saran-dalana, mahatratra 10 000 Ar isaky ny garaba na kesika.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: