Nanomboka ny 23 novambra teo ny fanamboarana ny lalana Faravohitra sy Ambohiborona. Any anatin’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ity toerana ity. Mirefy 33 km ity lalana ity, ka anisan’ny hatao ny any Ampakandrano sy Ambatofotsikely. Hamafisina koa ny vahilava.
Natao teny amin’ny toerana Au Bois Vert eny Ivato, ny 24 novambra teo, ny fihaonana momba ny fizahantany. Miompana amin’ny fizarana traikefa taorian’ny fitetezana ny toerana mahaliana ara-pizahantany aty afovoantany nataon’ireo mpandraharaha avy any Frantsa ity fotoana ity.
Tonga any Midongy Atsimo, faritra Atsimo Atsinanana, ny milina fanodinana voanjo ho lasa menaka. Avy amin’ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC) ity fitaovana ity, ka mialoha ny 14 desambra izao ny fe-potoana hametrahana ny antso ho an’ny tetikasa, ho an’izay mpandraharaha liana amin’ny fitantanana azy.
Hatao any Faratsiho, anio 27 novambra ny fiofanana mahakasika ny fiompiana trondro. Maimaimpoana ity fiofanana ity, saingy voafetra ny toerana ao amin’ny tranompokonolona hanaovana azy. Fiompiana karpa sy tilapia anaty dobo sy an-tanimbary ary anaty dobo vita simenitra no hatao ary ny sakafon-trondro.