Variana nampiaraka : mpifankatia nendahin’ ny jiolahy

Lasan’ny jiolahy ny kitapon’ny tovolahy sy ny poketran’ny tovovavy iray sakaizany variana nampiaraka teo amin’ny seza fiandrasana taxi-be eo Ampefiloha, ny sabotsy hariva teo. Voalazan’ireo mpitondra taxi-moto nahita azy roa ireo fa somary efa ela ihany izy ireo no nipetraka teo amin’ny seza. Mihevitra ireo mpitondra moto fa miandry taxi-be handeha hody ry zareo. Efa nisy roa lahy nihaodihaody teo amin’ny manodidina ny seza nipetrahan’izy roa. Ny iray mody mipetraka ny iray kosa mihodinkodina teo amin’ny manodidina. Nony efa maizimaizina tsy be olona intsony no namoaka antsy lavalela avy ao anaty akanjony ny jiolahy iray nipetraka teo akaikin’izy ireo. Nampitahotra an’ilay tovolahy izy mba hanome moramora ny kitapo sy ny poketra sady nandrahona mba tsy hihorakoraka. Hataraina ny an’ireto mpifankatia nahita ny antsy nitohoka teo amin’ny valahan’ilay tovolahy. Ilay jiolahy faharoa kosa mody manakontakona ny fihetsika ataon’ilay namany. Lasa ny kitapo nisy ordinatera niaraka tamin’ny finday avolenta. Efa lasa ireo olon-dratsy vao nahavita niantso vonjy tamin’ireo mpitondra moto izy roa, saingy tsy nisy azo natao intsony. Vola saran-dalana tany am-paosy sisa no tsy lasan’ireo mpanendaka. Ranomaso ny an’ilay tovovavy namonjy fodiana.

J.C

Partager sur: