Academy Kids : manomana ankizy ho matihanina

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo, tetsy Andravoahangy, ny Academy Kids, ivontoerana manabe ireo kilonga amin’ny ping-pong. Notsiahivin-dRao­bison Hervé, filoha mpanorina sady efa filohan’ny federa­siona teo aloha, fa efa tamin’ ny volana janoary no niasa izy ity. Tanjona ny hanomanana dieny izao ireo ankizy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy U.11 sy U.13. Miisa 100 ireo kilonga beazina ao amin’ny Academy Kids, ankehitriny. Misy sokajy roa ireo ankizy tezaina ao dia ny 2 – 9 taona, vao hanom­boka sy hampianarina ny teknika fototra. Eo koa ny 9 – 12 taona, ireo efa mahay kely ka hamafisina ny talentany. Isan’ andro ny fanazarantena, amin’ ny fotoanan’ny fialantsasatra fa ny alarobia sy ny zoma hariva izany amin’ny fotoam-piana­rana. Misahana ny lafiny tek­nika, Ranarison Narcisse, miaraka amin’ireo 5 miraha­lahy mpilalao ao anaty ekipam-pirenena malagasy, toa an’i Linoh. Ankoatra ny fanofanana ireo zaza amin’ny ping-pong, hampianarina teny anglisy sy frantsay koa izy ireo. Na­notrona ny lanonana ny filohan’ny federasiona (FMTT), izay nankahery ny ezaky ny Academy Kids. Nano­lotra latabatra sy raketa ary “robot lanceur de balle” izy. Nomarihin-dRaobison Hervé fa tsy mikendry ny hiverina hitantana ny federasiona intsony ny tenany fa hisahana ny fikarakarana ireo ankizy sisa.

Torcelin

Partager sur: