Fotoan-dehibe hampivondronana mpandraharaha samihafa ny hetsika “Innovative Natural Ingredients of Madagascar 2023 (INIM), andiany faharoa. Manomboka anio ka haharitra roa andro ny hetsika izay atao eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Ho hita mandritra ireo fotoana ireo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ho an’ireo Malagasy mpamongady sy mpamokatra akora fototra amin’ireo vokatra fanondrana. Ho hita eny an-toerana ihany koa ny mpiantsehatra samihafa eo amin’ny tontolon’ny zavamaniry. Mampalaza an’i Madagasikara ny vokatra fanondrana samihafa toy ny lavanila, jirofo, kanelina, kafe, letisia, kakao 100% fin, Ylang-Ylang, manga sns. Miavaka amin’ny kalitaom-bokatra ihany koa ny firenena malagasy, indrindra amin’ireo karazan-javamaniry 15 000 tsy fahita maneran-tany.
Fiaraha-miasa
Manome sehatra ho an’ny tontolon’ny fandraharahana ny INIM. Tanjona ny hahazoan’ny Malagasy mpandraharaha fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hanamafy orina ny fifandraisan’ny samy mpandraharaha sy ireo mpiantsehatra ihany koa ny hetsika. Mandritra ny roa andro, hisy ny famelabelaran-kevitra sy loabary an-dasy ary valandresaka ataon’ireo matihanina avy eto an-toerana sy avy any ivelany momba ny tontolon’ny famokarana sy ny vokatra fanondrana.
Tsiahivina fa nisokatra nanomboka ny 21 novambra teo ny taom-piotazana letisia ao amin’ny faritra Atsinanana. Miainga anio ihany koa ny sambo Crown Saphire hihazo an’i Rosia sy Azia, hitondra ny vokatra malagasy.
Henintsoa H.