Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fikatonan’ny jono isika izao, antony indrindra hampiroboroboana ity sehatra ity. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 40 000 ao amin’ny farihin’i Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana, ny sabotsy teo. Hetsika tantsoroka avy amin’ny orinasa Acipencer. Tanjona ny hitantanana maharitra sy hamerenana ireo harenan’ny farihy mba ho tombontsoan’ny rehetra. Tsapa tokoa fa mihena ny vokatry ny mpanjono.
Anisan’ny mampalaza ny firenena malagasy ny farihin’i Mantasoa noho izy midadasika sy manana velarana 2 000ha. Tsy voajanahary fa asa tanan’olombelona ny farihy. Maro ireo mpanjono mivondrona ao anaty fikambanana mivelona amin’ny jono any an-toerana.
Nandritra io fotoana io, nanentana ireo mpanjona ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, mba hampiasa ireo harato manara-penitra. Tsy mety hanjonoana ireo harato kely maso. Mikatona ihany koa ny taom-panjonoana ao amin’ ny farihin’i Mantasoa ka tokony hanara-dalàna ny rehetra. Nodorana taorian’izay ireo harato kely maso tratra nandritra ny fisavana natao.
Henintsoa H.