INDRAY MIJERY

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny herinandro lasa teo, ilay horonantsary fanadihadiana “Miaro ny vehivavy”. Ny zava-misy mandritra ny asa fanentanana sy fandraisana an-tanana ireo vehivavy tratran’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, manerana ny toerana iasan’ny fondation Akbaraly, no tantarainy amin’izany.
Ny fanabeazana dia mahakasika ny rehetra ary ny tranga herisetra dia tsy azo leferina. Mandray ny andraikiny ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena manoloana ny tranga voamarina, araka ny fanazavany. Misy ny fandraisana ny fitorohana manerana ny Cisco, Dren ary ny minisitera foibe izay misokatra ho an’ny daholobe.
Natsangana ao amin’ny faritra Atsinanana ny VAE na ny fanomezan-danja ny fahaiza-manaon’ny olona iray, ahafahany misitraka mari-pahaizana mifanaraka amin’ny sehatrasa misy azy, amin’ny alalan’ny fanadinana. Efa miroso ny fametrahana ny VAE ao amin’ny minisitera ka hitarina eny amin’ny faritra izany.
Natao teny Ankerana, ny herinandro teo, ny fanentanana momba ny fitantanana ny fako an-tanàn-dehibe sy ny rano maloto, tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa PIAA. Teknisianina eo anivon’ireo kaominina miisa 39 sy ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny PIAA no nisitraka izany.

Partager sur: