Vidina 1 000Ar ny kilaon’ny letisia eny an-tsena amin’izao. Mbola hidina izany atsy ho atsy noho ny hamaroan’ny vokatra miakatra eto an-drenivohitra.
Manomboka mitobaka eny an-tsena ny letisia. Manodidina ny 1 000Ar ka hatramin’ny 1 500Ar eo ny kilao raha toa ka manomboka amin’ny 9 000Ar ka hatramin’ny 12 000Ar kosa ny garaba iray. “Betsaka ny vokatra letisia tamin’ity taona ity. Miakatra eto an-drenivohitra avokoa ny vokatra avy any amin’ny faritra Atsinanana”, hoy Rasoa, mpivarotra iray eny Analamahitsy. Nambarany fa tsara ny kalitaon’ny letisia tamin’ity taona ity na amin’ny hamaminy na amin’ny hangezany. Nilaza izy fa mbola hidina hatrany amin’ny 800Ar ny kilaon’izany noho ny hamaroan’ny vokatra entin’ireo fiara mpitatitra. Ho azy manokana, mahalany garaba 10 isan’andro eo ity renim-pianakaviana ity raha vao nivarotra ny vokatra, vao efatr’andro monja.
Mpitatitra
Mahazaka garabana letisia 340 isa, izany hoe, manodidina ny 9t eo ny fiara mpitatitra iray. Betsaka ihany koa ny tsena anatiny amin’ity taona ity noho ny fihenan’ny vokatra aondrana. Tsiahivina fa milanja 12 500t ny letisia malagasy no naondrana any ivelany raha toa ka 18 000t ny vinavina. Hiainga anio ny sambo lehibe iray mitondra vokatra 2 000t hihazo an’i Rosia sy Azia raha toa ka niainga omaly kosa ny sambo iray hafa nitondra letisia 5 200 palettes nihazo an’i Etazonia. Miisa 5 200 palettes ihany koa ny vokatra aondrantsika any Rosia amin’ity taona ity. Tsiahivina fa noferana ho 1 300 Ar/kilao no nividianan’ireo mpanondrana ny vokatra any amin’ireo mpanangom-bokatra. Tsena niteraka fatiantoka ho an’ny ankamaroan’ny tantsaha.
Henintsoa Hani