Kintan’ny Fanilo Mikabary: namoaka mpikabary 20

Nanatanteraka fanandratana mpikabary 20 mianadahy ny Kintan’ny Fanilo Mikabary, ny sabotsy lasa teo, tetsy Tsarahasina Ambohimanga­ke­ly. Ny 10 tamin’izy ireo, nisalotra ny anarana « Ma­tsilo », izay mpikabary niofana nandritra ny enim-bolana ka nandray ny mari-pahaizana maha mpikabary azy. « Ma­nandratra ny tsara ho an’ny lova iombonana ny fanalavana ny Matsilo », hoy Ramilison Patrick Eugène, filohan’ny Kintan’ny Fanilo Mikabary. Nandrantoan’izy ireo fahalalana avokoa ny kabary tsy valiana, ny an-karatsiana ary ny kabary am-panambadiana. Ho an’ireo sokajy mpandalina indray, niofana nandritra ny efa-bolana, nanatevina ny fahaiza-mikabary efa nianarany tamin’ny dingana voalohany. Tanjon’ny fikambanan’ny Kintan’ny Fanilo Mikabary ny hananan’ny isan-tokantrano mpikabary tsirairay avy.
Ray mpiahy ireto andia mpikabary nasandratra ireto i Papa Tsilavina, tsy zoviana, amin’ny fanohanana ny kolontsaina malagasy, indrindra ny kabary. Teo ambany fiahian’ny Federasiona Mpi­kanto ny teny sy ny Soratra ity lanonana notontosaina ny faran’ny herinandro teo ity. Nisy ny seho sehatra sy kanto, tamin’ny alalan’ny ka­bary nataon’izy ireo. Nanam­baran-dRamilison Patrick Eu­gène fa « mety any amin’ny taona 2025 any izy ireo vao hanandratra mpikabary in­dray ». Fanirian’ny FMTS ko­sa ny hamoahana mpikabary indroa ao anatin’ny taona.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: