Lomano-Analamanga : hanokatra ny taom-pikatrohana 2023

Hetsika voalohany karakarain’ny ligin’Analamanga, taranja lomano, ny « Coupe de Noël », hatao ny 17 desambra ho avy izao. Fifaninanana hotanterahina ao amin’ny dobo filomanosan’ny ANS (Akademia nasionalin’ny spaoro) Ampefiloha. Ankoatra ny maha « Coupe de Noël » azy, amin’io koa ny fifaninanana hanokafana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny ligin’Analamanga. Mba hahatomombana antsakany sy andavany ny fifaninanana, mangataka fiaraha-miasa amin’ny namana, mpandraharaha, tompona orinasa, ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rasoanjanahary Valisoaniaina. Fanoha­nana ara-pitaovana na ihany koa ara-bola sy ny lafiny loka no fiaraha-miasa angatahany, saingy nohamarininy fa manana tetibola kely momba izany ihany ny ligy fa tsy fangatahana maimaimpoana akory no atao.
Nohamafisin’ity filohan’ny ligin’Analamanga, taranja lomano, ity fa manana mpilomano mamiratra Analamanga. Porofon’ izany, hoy izy, ny nahazoana ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy, izay mpilomano avy eto Analamanga no nandrombaka izany. Vinavinaina ho 500 olona no ho avy amin’ity fifaninanana karakaraina ny 17 desambra ity, raha ny fanazavana hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: