Mirongatra indray tato ho ato ny trangana fakana an-keriny any amin’ny faritr’i Vonizongo. Tambajotra goavana mihitsy no miketrika ny raharaha. Tsy vitan’izay fa zary lasa ataon’ny jiolahy fitadiavam-bola izany.
Na teo aza ny ezaka nataon’ny zandarimaria, mahazo vahana ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Maika manome vahana ny asan-jiolahy ny fifampiraharahana ataon’ny fianakaviana lasibatra amin’ny olon-dratsy. « Manome vola sao vonoin’ny olon-dratsy ny havany. Matahotra ny fianakaviana », hoy ny kaomandin’ny kaompanian’Ankazobe, ny kapiteny Ramanantsoa. Tsy manakana ny zandary hanao ny asany anefa izany. « Raha fantatra mialoha ny toerana hanaovana ny fifanakalozana ny takalonaina sy ny vola dia mamita ny iraka ankinina aminay izahay », hoy izy.
Fantatra fa andian-jiolahy, vao miforona ho mpandimby an’Iarisy, ilay raindahiny tamin’ny fakana an-keriny fony fahavelony ireto mandravarava any amin’iny faritra iny ireto. Mizarazara izy ireo, miparitaka amin’ny faritra samihafa. Misy ny any amin’ny distrikan’Anjozorobe, Tsaratanana. Misy ny fikambanan’olon-dratsy any Alaotra Mangoro. Manana sampana ao amin’ny distrikan’Ankazobe ihany koa izy ireo. “ Rehefa hanao fanafihana goavana izy ireo vao mivondrona”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Mamolavola paikady…
Manoloana ny firongatry ny asa fakana an-keriny amin’izao fotoana, efa misy ny fandinihana manokana io tranga io ataon’ny eo anivon’ny zandarimaria, ankehitriny. “Efa mamolavola paikady manokana momba io tranga io izahay”, hoy ny kaomandin’ny zandarimaria, ny Jly Rakotondrazaka Andry. “Manahy ny ain’ny havany ny fianakavian’ny olona alain’ny dahalo an-keriny. Mandoa ny vola antsokosoko tsy mampahafantatra ny mpitandro filaminana izy ireo noho izany. Voamainka mampirongatra ny fakana an-keriny anefa izany”, hoy ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Analamanga, ny Kly Raoilijon Tojo. “Na izany aza, misy amin’ireo fianakaviana sasantsasany manao sarintsarina fakana an-keriny. Te hahazo vola izy ireo ka manao an’io sarintsarina fakana an-keriny io”, hoy ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimaria Antananarivo, ny kolonely Randrianarimasy Radosoa .
J.C/Tsiferana