Nangalatra fanitso : Jiolahy maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy miasa ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambatofotsy, distrikan’Ikongo, ny alahady teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana. Nahazo antso avy amina tompona tranombarotra ny polisy fa misy jiolahy maromaro manafika sy mamaky ny fivarotany. Nidina haingana tao amin’ilay tranombarotra ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ity fanafihana ity. Raikitra ny fifampitifirana satria nitifitra avy hatrany ireo jiolahy ireo raha vao nahatazana ny polisy. Vokany, rotiky ny bala ny iray tamin’ireo jiolahy raha tafaporitsaka kosa ny namany. Lasan’ireo mpangalatra ny fanitso 20 niaraka tamin’ny divay telo bidao mavo. Fantatra fa efa voarohirohy tamina raharaha halatra « panneaux solaires » ity jiolahy voatifitra ity. Eo am-pikarohana ny namany ny polisy amin’izao fotoana satria efa fantapantatra ihany ny momba azy ireo, araka ny fanazavana.

J.C

Partager sur: