Lehilahy lehibe 88 taona nosamborin’ny polisy noho ny fanolanan-jaza 13 taona tao amin’ny fokontany Befaritra, kaominina Soavinandriana, distrikan’ i Soavinandriana, faritra Itasy, ny marain’ny zoma 24 novambra teo. Namonjy sekoly ao Andraibiby toerana misy ny EPP io zazavavy mpianatra io. Miditra ao amin’ilay lahiantitra izy ka notambazan’ity farany vola 1 hetsy Ar. Nolalaovin’io lehilahy 88 taona io sy novetavetainy ilay mpianatra ny 18 novambra teo. Hitan’ny naman’ilay ankizivavy anefa io fihetsika mamoafady nataon’ilay lahiantitra io. Nitoroka tamin’ny reniny, izay sefo fokontany ilay namany. Nitatitra ny zava-nisy tamin’ny rain’io lasibatra io ilay sefo fokontany taorian’izay. Nametraka fitoriana ireto farany ary nosamborina ilay nahavanon-doza.
Nomena 500 Ar…
Naborak’ilay ankizy 13 taona teo imason’ny fokonolona fa tena novetavetain’io lahiantitra io tokoa izy. “Mbola vao manangona ny vola 100 000 Ar nifanarahana ilay nanolana ka 500 Ar aloha no nomeny”, hoy ilay zaza lasibatra nandritra ny famotoran’ny polisy. Nanda ny fiampangana azy anefa ilay lahiantitra. Nilaza ho tsy manana hery hanaovana izany intsony izy, nandritra ny fanadihadian’ny polisy azy. Voamarin’ny mpitsabo fa potika tanteraka ny fivavian’ilay niharan’ny herisetra. Nanamafy ilay ankizivavy naman’io lasibatra io fa matetika miditra ao amin’ilay lahiantitra ilay ankizivavy 13 taona talohan’ny fotoam-pifidianana teo.
Tsiferana R.