Taorian’ny lalao ampahavalon-dalana izay natao ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, nisy ny antsapaka natao. Efa fantatra avokoa, araka izany, ireo lalao efatra.
Hotanterahina ny alahady 3 desambra ho avy izao, eny Andohatapenaka, ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2023, taranja rugby. Anisan’ireo lalao roa tena andrasan’ny mpankafy amin’izany ny fifanandrinan’ny USA Ankadifotsy sy ny FTM Manjakaray ary ny Cosfa miaramila hihaona amin’ny TFMA Ankasina.
Mbola manala vela amin’ ny mpilalaon’ny Dakar (FTM) ry zareo tapany maitso (USA). Lavon’ny ekipan’i Manjakaray tamin’ny isa 52 no ho 8 ny klioban’Ankadifotsy, nandritra ny ampahefa-dalan’ny “XXL Top 20”, ny volana jolay lasa teo. Mitovy amin’izany ihany koa ny an’ny miaramila (Cosfa) raha hifanandrina amin’ny boaikely manohitra (TFMA). Lavon’ny klioban’Ankasina tamin’ny isa 23 no ho 22 izy ireo, nandritra ny “Doppel Top 20”, ny taona 2021.
Ankoatra izay, hifandona amin’ny Tam Anosibe ny 3FB ary ny Uscar hifampitana amin’ ny TFA Anatihazo. Tsiahivina fa avy niatrika ny ampahavalon-dalana natao ny alahady 26 novambra lasa teo ny TAM Anosibe, ny TFMA, ny USA ary ny TFA. Marihina fa ireo ekipa niatrika ny manasa-dalan’ny “XXL Top 20”, toy ny 3FB, ny Uscar sy ny Cosfa ary ny FTM, tsy niatrika izany fa manao ampahefa-dalana avy hatrany.
Fitia Randria
Ireo lalao ampahefa-dalan’ny amboaran’i Madagasikara :
USA Ankadifotsy vs FTM Manjakaray
TFMA Ankasina vs Cosfa
3FB vs Tam Anosibe
TFA Anatihazo vs Uscar