Vita izay ny ampahan’ny asa manodidina ny fifidianana. Mivoaka ny vokatra vonjimaika izay tsy hifanalavitra amin’ny vokatra farany, tsy azo ivalozana, avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Efa hita ny mpandresy ary efa mijanona ho fihodinana voalohany ny fifidianana. Tsy nanararaotra ny herijika nahafahany naneho hevitra ny sasany. Nidongy sy nanary vola kosa ny hafa.
Tsy ifanomezan-tsiny anefa izany satria malalaka ny safidy. Firenena mandala ny fahasamihafana i Madagasikara. Efa nametraka ny maha demokratika azy ka manaja ny safidin’ny maro sy ny vitsy anisa. Iaraha-mahita ny zava-misy taorian’ny sabotsy, nivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika. Manohy ny fiainany andavanandro ny sarambabem-bahoaka. Tsy misy ny menomenona sy ny tabataba eny anivon’ny fiarahamonina fa samy manaiky izay nivoaka.
Ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo efa nanamafy ny tsy fijabahany amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara. Ankoatra ireo misababaka noho ny fikajikajiana ny tombontsoany. Mazava be fa diso ny filazana an’i Madagasikara ho miankin-doha amin’izy ireo. Iaraha-mahalala fa very izy ireo raha vao mamotsotra ity firenen’ ny Malagasy ity. Izay rahateo no mahatonga azy ireny mampiady angely. Zarazaraina mba hanjakana sy hanaovana ampihi-mamba ireo tombontosa azo trohana.
Manoloana izany indrindra no mila manamafy ny fiandrianam-pirenena ny Malagasy. Mila mampiseho firaisan-kina fa tsy ho ravaravain’ny mpanao politika, baikoim-bazaha. Tsy misy afaka hivoy zom-pirenen’olona iray satria iaraha-mahita fa na ireo manilikilika ny hafa aza manana zom-pirenena vahiny. Ny milaza ho mpitarika ny hetsika fanoherana rahateo, mialokaloka any an-tanim-bazaha. Tsy ho ela, raha tsy efa manana dia ho lasa vazaha taratasy ihany koa. Samia sarotiny amin’ny safidiny sy ny tombontsoany fotsiny !
r.r